You are here: home > Vetso

O ! RY FOKO... - KIRIAH

Azo vakiana?

o ! ry foko malahelo ,mihonona dia andraso
mba tsy ho resin-tsetrasetra,fanahiana ,sy ny ankaso
fa na lavitra lay tiana, ho avy ihany , hikalo indray
sy hitondra fifaliana,ka hamihina ,ary handray

mety ho sarotra tokoa, zany miandry, manantena
na izany aza moa,angaha FITIA NOTERENA ?
koa fafao ny ranomaso ,hatanjaho koa ny saina
aza kivy fa andraso, aza diso be taraina

o ! ry foko malahelo, aoka ho fantatrao mihitsy
mbola ho avy ilay tiana ,ary hitondra tsikitsiky
ka ny sentonao ario, aoka ianao re mba hatoky
aza adino tadidio,hiverin' izy handrotsirotsy.

KIRIAH

Hevitra mandeha

tiarah (14/10/2010 11:03:30)

Asa na ny fo no miomana mialoha hisento na eo ampamakiana dia lasa velon tsento fa lalina loatra aky izy izany a!

papoosy (07/01/2011 00:35:30)

j'aime bcp e

kiriah (13/01/2011 13:44:15)

Zany ve ry Tiarah a!, merci Papoosy.