You are here: home > Vetso

TSY HADISOANY - KIRIAH

Azo vakiana?

Tsy avelan ' ny alina mikipy ireto masoko
mitodika makany, kanefa tsy hadisoany.
Fa 'reo nofy lalina no injao mibodo toerana ,
mahatsiaro ny akany
rombohin ' ny ambiroany.
Dia njao midongy ainga tsy folaka am-panginina
mitondra ny fanahiko  hitety ity ririnina ,
ririnin ' embonembona ,
ririnin ' alahelo
tomany soratsoratra  
'ty fo mamelovelo

Ndreeeee!!!!! ...

Tsy avelan ' ny alina mikipy ireto masoko
mitodika makany !

kanefa tsy hadisoany.

KIRIAH