You are here: home > Vetso

TSY TONY - KIRIAH



NY SENTO nisikinan ' ny fo nilaozanao
no mbola koa firakotra tinafiny amin 'ny alina
rehefa injay nivalona
lay hazavàna feno
nentin 'ny fitiavana
dia iny fa niradana
nanjohy anao ny vetsony
dia injao ny fiefonefony anatin ' ny aliny ao
mitanisa sary  mirongo ny endrikao.

saingy :

Miaingitra ny hambo miloloha ny avonavony
te hanadino mihitsy ... anao ilay notiaviny .
Fa raha ny hatezerana mandroaka fahatsiarovana
ny FANAHY MITIA : tomany sy torovana

Ny seza, ny fandriana
ny lamba izay firakotra
no miaraka manatrika
ireo aliny mangina
MOANA sady sina

KIRIAH

Hevitra mandeha

raozigasy (16/04/2013 01:33:24)

Sento sasak-alina
Rako-betso lalina
Mandrovi-pahanginana
Anaty fivonkinana

Vadibadi-tory
Feno nofy ory
Mampivoa-dinitra
Toa vetso mahavinitra

Loha tsy mety lavo
ondana atao avo
sempo-tsy avy miaina
Ka ela vao maraina

Ireo no natambany
Ho bemirain’ny lambany
Sy tafin-torimaso
Mbola feno ankaso

Ireny no narakony
Ireo kiaka feno akony
Nandrovitra ny fony
Tiany mba afoiny


Satria

Ny hatory am-pilaminana
Anaty fahanginana
Tsy vitan’ny fanahiny
Masiaka ny tsiahiny

Mitantsotia (17/05/2013 18:14:14)

Tafaraka ny samy henjana!!!
Satry ho eto foana fa tena lafatra raha ohatra izao tononkalo
Mankasitraka an'i Kiriah sy Raozigasy

Mitantsotia (17/05/2013 18:14:49)

Tafaraka ny samy henjana!!!
Satry ho eto foana fa tena lafatra raha ohatra izao tononkalo
Mankasitraka an'i Kiriah sy Raozigasy

hery (21/05/2013 06:55:53)

Tokony manao boky itambarana i Kiriah sy Raozigasy :-p

kiriah (30/06/2013 14:18:04)

Efa midinika azy mits zao ka! :p

kiriah (30/06/2013 14:18:11)

Efa midinika azy mits zao ka! :p

Hametraka hevitra

Midira aloha