ANJARA (Lantorose)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatrizay aho nino hoe "ny anjara tsy mba miolaka"
Na ho ela na ho haingana ho tonga tsy atoraka
Kinanjo ankehitriny toa kivy ambony ihany
Hoe angamba ilay anjarako efa dify any ho any

Angamba aho nikimpy tamin'ny ora nandalovany
Na koa variana loatra tsy nahita ny nihelovany
Toa tavela irery miandry vasoka ny anjara
Ny saiko lasa ihany hoe sao mba efa tara

Sao kosa ary ity izaho diso toerana niandrasana
Na koa tara loatra tsy niraika na ho mahana
Ka diso anjara manandrify sy voaozonona ho irery
Hatreto aloha ny ho aviko zary misitery

Sa ve diso lalana any anebakeban-tany
Lay anjara natao ho ahy sy nandrasako ho tamy?
Sa koa nisy hafa nandrombaka any ho any
Ka tsy tody akory amin'ny toerana hombany?

Saingy hiandry ihany aloha sao mbola handalo
Dia aleo ihany koa hijery tsara sy ho mailo
Satria fantatro fa misy ilay anjara manandrify
Hiverina eo foana raha sendra efa dify.
--------
Rohy:
421 1
Mpakafy: Iharilanto
Hevitra mandeha
Iharilanto ( 08/07/2023 12:44)
Mankasitraka an'i #Hery niantsa ny tononkaloko ?????
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 05/07/2023 09:37
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151