NITETY VAZAN-TANY (Lantorose)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nivenjivenjy teny ny tena samirery
Nitety vazan-tany, nitady izay mahasoa
Fa leo ny fahantrana sy ny fiaina-manirery
Ka ny fitadiavam-bola no nibahana ao an-doha

Teny no nandia izay mbola tsy nodiavina
Teny no nisedra izay tsy niainana hatrizay
Izay asa hita koa tsy azoko nolavina
Fa sitrany hahasambatra ny tena rahatrizay

Nifanena teny ny namana vaovao
Ny mpiara-miasa koa nisolosolo teny
Ao ireo nitoetra ary misy ny nandao
Fa mitoetra ho tantarako ny nahitako ireny

Mba naniry koa ny ho tojo olon-tiana
F'ilay mitoetra irery toa zary sorisory
Nanantena ny hahita teny ho eny fifaliana
Ka niaina nofinofy tsy nety hisy akory

Teny no nanovozako fahalalana sy traikefa
Nivoarako ho amin’ny tsara sy mendrika kokoa
Mbola vonona hanohy na maro ny efa efa
Hanohy ny tantara, hitady izay mahasoa.
--------
Lien:
338 2
Commentaires
Azrael666 ( 10/04/2025 11:51)
Tsara be! Mahay be! Kanto, lafatra... Misaotra Lantorose. Mitomboa talenta hatrany!!!
Iharilanto ( 06/09/2025 13:39)
Misaotra anao namaky sy nankafy ny asasoratro 🙏🙏🙏🙏
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0192