NY TONTOLO IRIKO (Lantorose)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko ho ianao ry ala mikirindro
No ho zary namako handrotsy ny tontolo
Hanavao indray ity saina bobongolo
Ny fanatontoloana feno lesoka sy indro

Satriko ho ianao ry vorona sy riana
No ho kalo fanalako sorisorin-tsaina
Hampitsiky indray ny androko ho maraina
Sy handrafitra amin’ny tavako ilay endri-pifaliana

Iriko koa ho ianao ry rivotran'ny ala
No halefaka hisafo ny vatako, fanahy
Hiahohako hasambarana tsy misy ahiahy
Sy ora fitoniana tsy misy fiafarana

Tiako sy iriko ho natiora no tontoloko
Lavitra fivoarana fa feno fiadanana
Tiako ny tontolony no ho zary lasa namana
Ka olom-baovao no tiako mba ho soloko
--------
Lien:
Catégorie : Natiora - Aingam-panahy
273 1
Fans: Iharilanto
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0147