HAFATRA HO AZY (Lantorose)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na misy aza sento, alahelo, ranomaso
Dia ataoko ampy ho ahy izay tsara nomenao
Tsy fantatro hoe izaho sa ianao no nanakaso
Fa ny fantatro dia sambatra aho teo anilanao

Na nisy aza farany ilay natao ho mandramaty
Dia inoako fa tsy ho hadinoko ilay fitia avy aminao
Na mafy aza ny irery sy zary ratra anaty
Ny hany faniriako dia ny ho fifalianao

Zay tanjona kinendry samy manana ny vinany
Fa ny ahy aloha hatreto baraingo tsisy valiny
Inoako fa ny anao efa lafatra no hirany
Saingy aza atao ho fantatro zay ho tsiky sy ho maminy

Raha ny hatezerako dia hiantso tody aho; hanozona
Fa ilay fitia ato anatiko mandrisika ahy hitsodrano
Aza omena tsiny, ny alahelo misavovona
Fa na izany iriko ianao mba ho tsara tokatrano

Aza sainina intsony izay mba mety ho fiafarako
Fa fafao raha azo atao ny mombamomba ahy rehetra
Ny vinantsika ireny koa aza vetsoina mba hanako
Sao mamohafoha indray ilay lasatsy natao hitoetra.

Dia sambara ho mandramaty ianao sy ilay safidinao
Mirary soa tokoa mantsy no sisa azo atao
Hahazo zay irina sy ho ambinin'ny atao
Ho zary paradisa izay ho tokatranonao.

010723
--------
Rohy:
370 1
Mpakafy: Iharilanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 03/07/2023 08:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142