ARIVO FANDROSOANA (Lantorose)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho aiza re isika ry Gasikara tiako,
No dia maika loatra hanenji-pandrosoana?
Tsy vonona hamantatra izay ho vokany rahampitso,
Fa nahajamba loatra ny fanatontoloana.

Ho aiza izato dia mitrifana aok'izany,
Nanariana ny lamba nirakofana fahiny?
Toa satrinao ny hanidina sy tsy handia tany,
Fa maika loatra hanenjika ny fomban'ny vahiny.

Ho aiza ireto zaza toa mihaingo fatratra,
Mirantina firavaka tsy fantatra fihaviana?
Tsy tazako intsony ireo miravaka ny vakana,
Fa fatim-by sy ankoso-bolamena hono no tiany.

Ho aiza ireo tanora fatratra mpitady,
Ny lazainy ho fandrosoana miparitaka any am-pita?
Tsy fantany intsony hoe misy ny olom-pady,
Fa ny tokony hafenina no aderany ho hita.

Ho aiza re isika ry Gasikara tiako,
No arivo fandrosoana amin'ny randra-tsy manendrika?
Mba liana aho hahafantatra ny toerana hitodiako,
Aoka ho sanatriaviko; sao sanatria ho rendrika.
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
209 3
Mpakafy: Nikalo - ikalamako - Iharilanto
Hevitra mandeha
Iharilanto ( 12/03/2024 02:44)
Miarahaba o,
Fo kely iray avy any aminao raha tianao ilay tononkalo o.
Mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 07/03/2024 19:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142