Ny vetsoko (Lantorose)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha izay hevitra vetsoina sy hiraina hatrany hatrany
No hanjary ilay tontolo hilomanosako ny ampitso
Dia hivetsoko fifaliana, eny izay rehetra tiako
Sy hikaloko hasambarana, tsikitsiky, teny mamy

Fa matetika ny ngidy, ny ratram-po sy ranomaso
No tsy afaka ao am-bava sy zary hirako maraina
Lasa kaloko ny hariva ny sentosento sy taraina
Sy nandrafitra ny ampitso ho mafaitra feno ankaso

Aoka ihany ny redirediko mba ho taratra hazavana
Mba ho taratra marainan'ny masoandro vao miposaka
Ho tara-bolana baliakan'iny alina mirotsaka
Sy ho kalom-borokely miramirana any an'ala

Aoka ihany ny menomenoko hiangaly ny feon-driana
Handrotsirotsy ny fanahy valabalaky ny fiainana
Ho fikasokin'ny ravina sinafon-drivotra miserana
Hanonja feo milantolanto sy kalokalo fitoniana

Raha izay hevitra vetsoina sy hiraina hatrany hatrany
No hanjary ilay tontolo hilomanosako ny ampitso
Dia hovetsoiko ny fiadanana, eny haveriko impito
Hiangaliako ny fitia ambara-pialako eto an-tany.
--------
Rohy:
293 3
Hevitra mandeha
Iharilanto ( 04/08/2023 16:55)
Mankasitraka ny mpankafy sy mpiantsa ny asa soratro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 29/07/2023 12:06
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144