HO ZARY TENANY (Lantorose)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy aina sy misy Andriamanitra
Dia misy nofinofy
Nofy ho zary tenany
Ireny nofinofy novolaina faha-ela ka navalon'ny fotoana
Nafenin'ilay vatan'ny fahakiviana
Natopan'ilay onjan'ny hadisoam-panantenana
Ka zary tsy hita intsony
Fa ny fo sy fahanginana no namerina azy
Ho zary nofy vao
Ireo nofy fahiny natao tsara tahiry
Toy ilay tahirin-tsary ny lasa fahiny
Navoaka ho jerena hamoha indray ny tsiahy
Sy ilay hamboben'ny fo amam-panahy
Ka indro fa niverina niorina ao an-tsaina
Ireo nofinofy, mamy, tiana sy lalaina
Sitrako indrindra
Ho zary tena izy
Ilay fahafahana ara-bola sy ara-batana
Ilay asa kely ho loharano tsara tantana
Ho zary lasa goavana
Ilay trano kely mba tsy ho hofaina intsony
Ho tonga trano goavana efa mivoatra irony
Sy ho ahy manontolo tsy handoavam-bola akory
Ny honina ao anatiny, na hikorana na hatory
Hitety izao tontolo tsy hanana ahiahy
Na amin'ny asa fitadiavana, na ny fiainana am-panahy
Ilay fiainana ho diaviko
Sy tanjona ho kinendriko
Ilay iriko hisy afaka fotoana fohy
Ilay hambom-po efa feno toky
Tena zary tenany
Fa raha mbola misy aina sy misy Andriamanitra
Dia misy hambom-po tiana ho tanterahina
Tsimaintsy ho tanteraka
Sy ho zary tenany
Eny ho tena izy.

Mars2022
--------
Rohy:
106 1
Mpakafy: Iharilanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 15/09/2023 08:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236