KIAKAM-PAHAFAHANA (Lantorose)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fety hono anio fa tsingerin-taona
Mandeha mafy kosa anie zany fotoana !
Fa efa enimpolo taona sy roa amby
Nahafahan'ny Nosy teo an-tanan'ny be sandry

Hatsangako ny saina ho mari-pandresena
Sy ho porofom-pitiavako an'ito firenena
Saingy aza omena tsiny raha tsy vonona hifety
Fa ny saiko tsy manaiky.

Toa mbola tazako eny ireo mpanjakazaka
Toa ny tompom-pahefana no afaka manjaka
Ny tsy manana anarana ambony manan-kaja
Tsy afaka milaza

Tsy afaka miteny na manolotra ny heviny
Fa mahazo teny betroka hoe: izay tiany, izay reviny
Ka mampangina hambom-po
Afaka ho aiza moa?

Hatramin'ny tany kely nandaniany ny herim-po
Novoleny ,nohamasahany, nalaina ihany koa
Fa vola no miteny saingy ny azy tsy vavàna
Koa naleony nampanginina tsy handalo fitsarana

Raha asa ,tombontsoa na koa fifaninanana
Efa voray mialoha ireo zanaky ny mpanana
Fa herim-po very maina ny anao raha hifaninana
Saingy manandrama ihany ry zanaka sahirana

Vonona hifety aho rehefa mahazo vahana
Sy tsara andry itoerana ny tena fahafahana
Rehefa ny rehetra no mahatsapa ho olona afaka
Amin'izay angamba i Gasikara vao ho sambatra .

Jona 2022
--------
Rohy:
216 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 29/07/2023 13:11
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0296