SEGONDRA FOTSINY (Lantorose)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao mba haka
Segondra fotsiny ihany
Ny toeran'izy ireny.
Tsy hoe akory hitafy ny lamba itafiany
Na hihinana ny fako teny an-joridirany
Tsy hoe hiara-hatory hitafy lanitra aminy
Hiaritra hatsiaka sy ny orana etsy an-daniny
Fa hiaina an'eritreritra ny fiainana itolomany

Tiako ianao hiaina
Segondra fotsiny ihany
Ny fiainan'izy ireny
Tsy hiaraka handraraka hatsembohana aminy
Na hiaraka hitantana ny arivo kely ho hoaniny
Tsy hoe handratra fo amin'ny eso ,latsa iainany
Fa fotsiny hahatsapa ny mangidy tsy itarainany
Eny hahatsapa ny sedram-piainana diaviny.
--------
Rohy:
93 1
Mpakafy: Iharilanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 07/03/2024 19:20
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014