TE HAMANTATRA NY MARINA (Lantorose)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te higafy aho, haneho ny ratram-po ato anatiko
Te hikiaka an-dranomaso hampiseho ny tsy tantiko
Nabadoina aho hanaiky fa ny fitia ka fandeferana
Dia nanobaka fitia, ampy, mihoatra sy fitserana

Saingy indrisy fa ny foko no mizaka izay tsy anjarany
Fa voasoratra ho ratra sy ho ngidy ny tantarany
Fo iray monja no mba tiaviny dia fahafatesana no iriny
Sy italahoana isanandro mba hampitony ny hakiviany

Te higafy aho, haneho fa izy iny anie ka ahy
Koa raha efa nisy tompony dia ho soloiko rangolahy
Fa ny fasana na oviana tsy hamadika, tsy hamitaka
Koa raha izy no ho namako, dia hangina aho, hamitsaka

Te hikiaka aho hiala nenina hamantarako ny marina
Raha sanatria ny fanantenako efa potraka tsy hiarina
Raha toa ka olon-kafa no efa ampon’ilay notiaviko
Eny koa raha tanana hafa no tantanan’ilay ho vadiko

Raha ianao no mahafantatra, ilazao aho mba hiononako
Fa ampy izay ny ankamantatra sy vinavina isan’orako
Raha ny tsapako, ny misy sy ny fihetsiny ihany koa
Dia mampiseho tsy fitiavana sy fanilihana avokoa.

16 nov 2023
--------
Rohy:
88 1
Mpakafy: Iharilanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 04/05/2024 18:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142