NAHOANA (Lantorose)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ny kanto no jambam-pitia
Ka tsy mahay miteny raha tsy resa-pitia?
Zara raha miventy loha hevitra hafa
Fa ny resaka vady no mameno ny tafa.

Ny hira mikalo ny fo latsa-pitia
Ny tononkalo miventy ireo voafitaka nitia.
Ny hoso-doko maneho ny fo maratram-pitia
Ny tantara mitantara ireo matim-pitia.

Mitia ka mifanaraka,
Mifanaiky fa hiarka,
Avy eo indray misaraka.

Babo tsy mahatombi-tena,
Voafitaka toa mahonena,
Mamoy fo ka mamono tena.
--------
Rohy:
452 1
Mpakafy: Iharilanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : Iharilanto
Daty : 07/08/2022 17:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811