You are here: home > Vetso

Ny andro anio - Lantorose

Azo vakiana?

Ny andro anio ve mba ho tsara?
Sa handrafitra Tantara?
Tantara rakotra alahelo
Ranomaso sy toreo.

Ny andro anio ve mba hamiratra?
Ny masoandro mba hihiratra ?
Sa ho rakofan'ito Rahona ,
Mampihorohoro sy Mandrahona ?

Ny andro anio ve mba hafana ,
Mba hampifaly sy ho tsara?
Sa hangatsikan'ny fanala
Sy ho tataovin 'ny hatsiaka ?

Ny andro andro anio zay ankamantatra
Ny ho avy mbola tsy fantatra
Asa lahy hanao ahoana !
Izay hatolon'ny fotoana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Lantorose


Nampiditra : hery
Daty : 02/02/2015
Mpamangy : 1423
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Malala lavitra ahy