RAHA MBOLA MISY (Lantorose)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy ny lanitra sy tany.
Dia antenaiko hatrany.
Fa indray andro any.
Ito fireneko ho lasa nosy iray.
Ho lapam-pihavanana , vahoaka mifandray.
Ho foana ny adiady.
Fa handry fahalemana.
Tsy hisy omby very na vorona tsy ho hita.
Raha tondraka ny rano hahay miara-mita.
Tsy misy mana-pahefana sy hoe olo-tsotra.
Fa Malagasy iray no anarana havoitra.
Atao mitovy tantana.
Ny zo sy tombotsoa.
Eny hetaheta, faniriako ihany koa.
Ny loko politika mavo ,mena, mainty manga.
Hatao tokambolo mitovy saranga.
Eny ampitoviana hatramin’ny tadin-dokanga.
Tsy hisy ambony ambany.
Ho marindrano hatrany.
Ka ireo anarana, karazana foko maro be.
Tsy hifangaringarika raha eny an-dalambe.
Fa hahay hanambatra ilay fahasamihafana.
Ho tonga haren-tsaina.
Ho entina hirehàna amin’izao tontolo izao.
Fa malagasy tia fiombonana izaho sy ianao.
Ireo antoko-pivavahana sy finoana maro samihafa.
Tsy hifanao tsinotsinona fa hanaja ny hafa.
Ho tonga mpampihavana.
Handray ny hafa ho havana.
Ireo olomboafidy sy olomboatendry.
Mba ho olombanona sy ho olokendry.
Hampitovy tantana ny vahoaka entiny.
Amin’ny fomba sy fihetsiny.
Ny zanak’ikala hafa.
Ny kely fanambaka.
Mba ho lavitra azy.
Raha mbola misy ny lanitra sy tany.
Ho tò ny faniriako indray andro any.
Isika malagasy.
Hahay hiray lasy.
Hiaraka hiredona ny hiram-pirenena.
“He sambatra tokoa izahay”.


--------
Rohy:
397 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lantorose
Nampiditra : IHARILANTO
Daty : 17/08/2022 09:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097