VAVAKA (Lantorose)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Zanaharinay.Zaro ny fonay.
Hahay hitia ny hafa.
Hahay miara-miasa.
Hanova ny fo lentika .
Sy ireo toetra tsy mendrika.
Handrava ny efitrefitra .
Ho zary fo mandefitra.
Handrodana tamboho .
Mpanavaka ara-poko.
Sy ny fijery tsy mazava .
Mpanavaka hodi-tava.
Hanova ito vava.
Miavonavon-dava.
Hanova ny fijery.
Mijilajila ireny.
Ho entiko am-bavaka .
Ilay fo mpanavakavaka.
Ny fitia mitanila.
Toa mizana tsindriana ila.
Ry Zanaharinay.
Mba omeo ny nosinay.
Ilay vahoaka te-hisandratra.
Tsy tia miangatrangatra.
--------
Rohy:
Mpakafy:
IHARILANTO
Hevitra mandeha

hery
(
21/08/2022 17:07)
Aiza amin'izay ilay feo Iharilanto a 😊

Iharilanto
(
29/08/2022 16:16)
Tena efa nataoko fa ratsy feo be rehefa nohenoina dia tsy nalefako.