Ilay fihetseham-poko (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao ambadik' ilay tsikiko, nisy alahelo niafina
d' ilay hafaliako ihany no nivadika ho tomany
teny anelanelan' ireny rehetra ireny
nisy fo nidibodoboka, tsy laitra notenenina
naditra no sady be marenina

Teo amoron' ireo molotro, nisy tsiky saika hiseho
kanjo ilay masoko no nanganohano nitoreho
tao an-tratrako, nisy afo nandoro nahamay
tsy hay nobaikona hoe " aok'izay"
fa vao maika nidonaka sy namaivay.

Teny an-tendron' ireo ratsako, nisy teny ho soratako
kanjo sadaikatra ny tanako, nitoreo niovitrovitra
vahotra ny molotro, saika hiteny izay voasoratro
ny tao anatiko nefa nangovitra nivaralila
niavonavona, nihivinivina sady namilafila

Injay ilay fihetseham-poko!

Maeva74
2010-01-16 ( Brésil)
--------
Rohy:
2059 1
Mpakafy: maeva74
Hevitra mandeha
raozigasy ( 22/07/2010 22:25)
Hetsiky ny foko

Ilay tsikiko nitsiky, mody nitsiky ho anao
Ilay hafaliako iny, niniako mba natao
Fa ny tao ambadiny, alahelo mafy
Sarotra nafenina, sarotra nihafy

Fa teo imolotro ihany, ilay tsiky mody faly,
fa ny tao am-poko, latsa, kiana, jaly,
ny tao an-tratrako aza, afo be mijoala,
nandoro izato foko, miseho tsy te hahalala

ary ireo tondron-tanako, ninia nanda ny baiko,
hanoratra ho teny, ireo varalilan-tsaiko
ilay hovitry ny resako, nafeniko ho ahy,
natahotra aho mantsy , sao ny foko ka mivaha

ka nogejaiko tao, ilay hetsiky ny foko,
nofihiniko ilay vay, toy izay koa ilay toloko
tsy haiko izay nambara, ka nitsikiako vendrana
sao latsaka tomany, ilay masoko nipendrana
tiarah ( 26/07/2010 06:58)
Ireto ve no atao hoe Tia sy Tiana sa Mitovy fa Tsy sahala
raozigasy ( 26/07/2010 10:50)
sahala ainga dia mitovy fanahy
Tia sy Tiana no aingam-panahy
maeva74 ( 20/11/2010 17:00)
Kanto foana ry Raozy an! Mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145