MAMIRATRA (Ho fahatsiarovana an'i RADO) (MAHEFALISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh fatratra aok'izany izao lokon-danitra ao izao!
Toa tsy mainty intsony fa mazava sy tomaratra.
Tsy nirotsaka intsony 'lay oram-pahavaratra,
Nanjopiaka teo ny alina! Tsy misy raho-mitatao.

Saingy indrisy!
Indrisy

Fa ny hany tsy namiratra tao anatin‟ny fisainako
Dia ny foko malahelo fa... lasa ilay Mpiadiko,
Dify lavitra ahy ilay niady ny Marainako,
'lay hany nampalefaka ny fihenjan‟ito tadiko.
'lay nanampy ahy hisava ireo “very notadiaviko”.
'lay niezaka nitsinjo ny anjaran‟ito ho aviko.

Resin-tory izy fa reraka,
Lentika tanteraka!

Fa fatratra erý 'reto tononkalo nameno taratasy,
Ary 'reto sora-tanany tsy nitsahatra “ho gasy”?
Eny! Tsy nangatsiaka intsony ange androany alina
Fa ny vatany manara sisa no mampisento lalina.

(...)

Fa indro ny voninkazonao na hendry na adala,
Hanjary fehy iray hanotrona anao.
Ka misaona koa 'lay zaridaina “mamanala”,
Izy indray anio no hikolokolo anao.

Dia vao mainka nihanazava 'ty ali-maizim-pito
Fa tsy misy tasin-drahona manakona ny volana.
Hany sisa tsy miteny? Ilay niaro ny ampitso
Tsy ho voagejam-panjanahana, ka nitady vahaolana.

Ô mangina ry foko,
Aok'izay ny toloko!

Aoka izy hatory fa ny aliny efa tamy,
Avela izy hiala sasatra anaty nofy mamy
Fa efany ny adidiny,
Namiratra ny “RADOny”.

MAHEFALISON – Septambra 16, 2008
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
1343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : MAHEFALISON
Daty : 30/03/2010 09:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099