You are here: home > Vetso

Taratra hazavana - MBL

Azo vakiana?

Ny endrikao mamiratra, dia taratra hazavana
Toy ny andro mihiratra, arahina hafanana

Taratra hazavana, fa satria nahoana?
Toa tsy mahatamana, rehefa tsisy anao
Ilay foko babangona.

Miverina ato an-tsaiko,mihodina ato an-doha
Tsy mivoana fa dia ao
Mandamina ny saiko, tsiriritin'ity foko
Ilay anaranao

Ny anaranao toa mendrika izato toetranao
Ny samboko tsy ho rendrika, raha itoeranao
ao anatiny ao

Sokajy : Fitiavana, manokana