You are here: home > Vetso

ALIMBETSO - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

...dia nihira teo ny alina
Nihiram-betsovetso,
FA
Namoha indray 'reo fotaka
Efa mandry sy milamina,
Namoha irony tsiaro...
Namoha indray ny fasana
'zay nandevenako azy,
Nivoaka indray ny fonjany
ilay fahatsiarovana,
Efa nogadraina.
...dia nihira teo ny alina
ravahan'ireo kintana aman'aliny,
Eny an'abakabaka eny...


Ry foko mba ahoana a?
Sa manaraka ny gadon'ny
hiram-betsovetso...entin'ny alina!?


Nihira,dia nihira!
Nihanoka "ALIMBETSO".

*MIKALO NANTENAINA
NY:08/10/20

Hametraka hevitra

Midira aloha