You are here: home > Vetso

AVELON-JAZARANO - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Vao nitsaika tao am-bohoka
ilay fifanenkem-pitiavan,
Dia nahohokao sahady
Nolevoninao tsy ho zaza
Ny ranon'aina nifangia,
Navelanao ho nofy ho an'izao tontolo izao
Ny hatsarantarehiny!
...
Fa kosa ry sakaiza!
Ny avelon'izy ireny
ilay mifatotra any ho any...
Novelomin'ny poety tamin'ny fofonain'ny teny
Norakentiny ho sary
hanelo anao indray,
Ny "AVELON-JAZARANO".

MIKALO NANTENAINA
04/11/20

Hametraka hevitra

Midira aloha