You are here: home > Vetso

FITIAVANA A? - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Fitiavana izany dia fon'olon-droa:
Voarohin'ny tady tsy tapakin'ny antsy
Voatana kofehy,tsy ravan'ankaso
Kanefa tsy "GADRA" a!
Fa fo roa mifangia sy "AINA" iray mandrakizay...


Fitiavana izany!
Tsy lefim-pahaterana,
...madinipihavy fa mahatondra-drano


Fitiavana izany!
Tsy toin'ny paraky:
Ka hatreo ambava ihany no fetra hiarahana,
Tsy toin'ny afo-mololo:
Ka indray miredaka ihany dia izay

Fa fitiavana izany !
Taon-jezika an-kady ka "AINA"no fetra


...MIKALO NANTENAINA
tao: AMBOHIMANDROSO GARA

Hametraka hevitra

Midira aloha