You are here: home > Vetso

LASA - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

(Valin-kafatra ho an'i...)



Lasa...

Lasa...tsy nisy tamàna,
tao no nentin'ny anjara sy lahatra
tao no lao...
dia lasa nandao ny tanàna

Ka ny ambiaty sy seva mijoro?
'reo no dindon'ireo tovolahy,
Mijoro sy miandry tanàna,
Fody no sisa mamangy
ity tanàna mahalao monina

Fa ny olon-tety?

...lasa tsy nisy tamàna

Ny fandrotrarana no sisa nandimby,
mamahatra mafy amin'ny tany

Fa ny olon-tety?

Lasa...tsy nanao veloma,
tany dia tany!
Ka tsy nisy niverina intsony...

*MIKALO NANTENAINA

Hametraka hevitra

Midira aloha