You are here: home > Vetso

"FANI...RI..." - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Faniriako hatrin'ny ela no mba hotiavinao,
matsy aho efa ela...no nioty an'eritreritra ny an-tsaran-tarehinao,
Efa ela aho no nioty tan'eritreritro ao...
'lay tsikinao malefaka
mitondra hasambarana...
tsy takatra ho pesenina,
Ny fahatsoranao tsy mampisalasala
tsy voasandan'ny miliara,
Fa "RADO"lafo vidy fanaingo ny tontolo,
Tsy mety ho bobongolo fa...
"RADO"feno an-tsaran-tarehy monina ao anaty,
Tokoa aho tena babony!
Tsy nasiako hoe;"fameriny"
Fa lasan'ny ambongadiny,
-Tsy nofy velively!
Fa faniriana...
Faniriana ny mba ho tiaviny.

*MIKALO NANTENAINA
ny:08/10/20

Hametraka hevitra

Midira aloha