You are here: home > Vetso

TONONKALO - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Ny fofon'ain'ny teny
mivoaka eo imolotro...
Anao ireny no nindramiko,
Tontolonao no hiainako.
Ny rakin-tsarinao...
Nanintona ny fo amam-panahiko,
Ny hirahiranao...
Tsy afaka ambavako,
Anao ireny no nindramiko.
Avy any am-paralalin'ny tsantan'ny andro taloha
Mirongo tononkalo...
Eny , mamiko!
Ny fipololotran'ny fofon'ain'ny teny...
Fa anao ireny no nindramiko,
Eny,anao tokoa!
Ry andriamanitrin'ny teny...
Sy andriamanitrin'ny hira...

*MIKALO NANTENAINA
NY: 05/10/20

Hametraka hevitra

Midira aloha