You are here: home > Vetso

M A T O A - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Matoa aho mitsiky
manafin-tomany,
Nandona ny tratra.
Mamokona tanana
amin'ny toloko mpiandany!
Tsy tiko ny ampitso
no handresy ahy, tsy hiady!

Matoa aho mijoro
miatrika ny ady
dia...
tsy tiako ho vaky tady
ny fanantenana,

Fa matoa aho toy izao!
Tsy voakoro, tsy ravan'ankaso!
Dia...
Efa hatramin'ny fahagola
no tsy mbola nanary ilay "andriamanitra"

Matoa ireny nisy...
dia tsotra ihany!
"Sedra lalovan'ny ambonin'ny tany"

...MIKALO NANTENAINA

Sokajy : Fiderana, Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha