N Y A I N G A N ' N Y P O E T Y - Mikalo nantenaina
Azo vakiana?
Taratr'andro osaosa
Manainga ny embona
hamangy an'ankaratra,
. . . dia iny nisosa
Nanaraka mora,
Nivoaka imolotra ny aingam-panahy . . .
Mitety onjan-drano
tsy mety voafetra,
Mamoha ny ambiroan'ny maty rehetra!
Kanefa, mandevina ny tsiahin'olombelona,
. . . dia iny nipoitra
Nitrebona an-tsaina,
Manetsika hozatra
mamory ny hery...
Ilay aingam-panahy toa misitery!
Nisoka tsy taitra
Nananika ny abaka,
tsy mety mangina
Fa . . .
Nihira ny vetson'ny fo sy ny saina,
Manao hosodoko ny fiaina-mandalo,
Manainga tsy maika
ny olo-malaina.
...MIKALO NANTENAINA
Sokajy :
Aingam-panahy, Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : Mikalo nantenaina

Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 05/11/2020
Mpamangy : 389
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FITIAVANA A?I M P I R Y
A Z A
M A T O A
AVELON-JAZARANO
LASA
TONONKALO
ALIMBETSO
"FANI...RI..."
MALALA A!