INY - Mikalo nantenaina
Azo vakiana?
Mbetika ny rahona
manakona ny volana,
Ka mandiso fiheverana
an'ireo mila rotsirotsy,
Kanefa,io volana io!
Tsy mandalo na hoe miserana!
Mitoetra fa tsy very,
Manala tahotra ny fo
izay farofirofy,
Mbetika ny lasa...
mihevitra ahy ho adala,
Fa ny vanin'andron'ny ririnina e!
tsy hilaozana fanala,
Mbetika aho manaiky
Mbetika aho mandÃ
Ny molotrao homehy,
Fa toa misarisary zoro
Sy toa mibitsika mangina hoe"babonao ny foko"
Kanefa,iny lahy!
Iny,tsiky indray miserana
Mivimbina hasambarana,
Fa...lavitra fitserana.
mikalo nantenaina
Mombamomba
Mpanoratra : Mikalo nantenaina

Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 12/08/2020
Mpamangy : 494
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FITIAVANA A?N Y A I N G A N ' N Y P O E T Y
I M P I R Y
A Z A
M A T O A
AVELON-JAZARANO
LASA
TONONKALO
ALIMBETSO
"FANI...RI..."