MBA MISAINA VÉ LESY IALAHY? (Mikalo nantenaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba misaina vé lesy ialahy?
nanipy ny harato
Amin'ity zana-domoina a?
Sa vatana very fanahy
dia manjono izay azo jonoina,
Mandemy izay azo lémena a?
-
Notangosan'ialahy mbola mantà
ny voankazo tsy mbola fihinana,
Mba misaina vé lesy ialahy a?
Nampitondra takaitra ny nofo maliany
nanamparan'ialahy ny filàna
-
Mba olombelona vé lesy ialahy?
Sa biby tsy manam-panahy?
No zaza mbola fitaiza
no nanamparan'ialahy ny filàna
Sy nanaovan'ialahy ny adalàna
-
Mba misaina vé lesy ialahy ?
No zaza milalao dinety
no terena hitari-tsarety,
Nanalan'ialahy ny hetaeta
dia mizaka ny tsy-eran'ny aina?
-
Mba misaina vé lesy ialahy?
nanipy ny harato
Amin'ity zana-domoina a?
Sa vatana very fanahy
dia manjono izay azo jonoina,
Mandemy izay azo lémena a?
-
Mba olombelona ihany ialahy,
Kanefa,tsy manam-panahy
(mbola hitohy...)
mikalo nantenaina
18/08/20
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
670 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mikalo nantenaina
Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 01/09/2020 10:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109