You are here: home > Vetso

MIANDRY FAHAGAGANA SA... - Mikalo nantenaina

Tafita ny olona
F'isika mba ahoana?
Toa variana mampiteraka,
An'ambatobevohoka...
Nefa hatram'izao!
Tsy mbola vaky ranondohany

Tafita ny olona
F'isika mba ahoana?
Fa toa ilaozanareo,
Mifanasa vangy fona!

Tafita ny olona
F'isika mba ahoana?
Izato ianao,
Toa mbola mihazoazo,
Tamana fahantrana,
Sa miandry fahagagana?

Tafita ny olona
F'isika mba ahoana?
Isika toa variana
Tsy mahita ny anoloana,
Ka tsy mahafantatra akory!
Izany fandrosoana

Mikalo Nantenaina
Ny :08 Jolay 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha