You are here: home > Vetso

MITIA MANGINA - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Tsy mety ho afaka
Ato an-tsaiko 'lay endrikao,
Fa toa lasa nofy vita sary.
Ny masonao mibaribary,
Tsy afaka ato an-tsaiko
Ny jerinao malefaka
Fa toa misy taram-pitia
Manomboka mitsiry
Ao anatiko ao.
Raha vao mijery,
Na mahita,monja sary iray,
Dia mientana ny foko
Iantsampy sy hanoroka anao.
Moa mba tsapanao izany !
Fa tsy sahiko aboraka
'Lay eritreri-mamy,
Fa ndrao dia tsy mivaly.
Ka ny hany sisa ataoko,
Mitia mangina anao.

Sokajy : Fitiavana, Hambom-po