You are here: home > Vetso

MITONIA - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Mitonia ianao sakaiza
Raha nandao anao ny tina
Fa na ho aiza ianao na ho aiza
Ny fitoniana no hilaina

Mitonia ianao sakaiza
Fa ny lavo mbola hiarina
Ny marina tsy ho faty
Ka aza ianao hamalifaty
Raha nosoparany tokoa

Mitonia ianao sakaiza
Mitonia...fa izany no fahendrena
Mitonia...fa aza ianao mitraotra
Eny e! ny minitra mbola ho ora
Ny andro mbola ho volana...

Mitonia ianao sakaiza
Raha nandao anao tsy satry
Ireo 'zay nianteherana
Mitonia...
Fa efa ravina nanintsana
Nandalovany ririnina
Ka ny sisa 'zay tavela
Koloy,ho rakitry ny lasa.
***MIKALO NANTENAINA***

Sokajy : Malalaka

Hametraka hevitra

Midira aloha