You are here: home > Vetso

MPIVAHINY - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Tsy ny zokiolona!
Na koa ireo be antitra...
Dia lazaina hoe ;"hazo amoron-tevana"
Fa na ianao tanora!
Manana ny tanjaka,manana ny hery,
Na ny zaza mena vava,izay mbola miankina tanteraka amin'ny fiarovan-dreny!
Na ny mbola tsy hary,na ianao miriaria...
Tsy misy afaka hamahatra ny tany,
Fa mpivahiny isika,mandalo fotsiny ihany
Na ireo manam-pahaizana mikasika ny aina aza!
Tsy afaka hitoky,fa hijanona eto an-tany
Ka ho'aho aminao!
Mandalo isika no eto,
Mivahiny fotsiny ihany!
Fa ny tanora na ny antitra
dia mbola samy hody vovoka,
Fa tsy hay izay ho lasa aloha.

mikalo nantenaina
ny jolay 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha