NY POETA (Mikalo nantenaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao tontolo izao
No nanainga ny ainganao
Nanainga ny fanahy
Hitety ireo voaary

Ny tarabolana
Eo ambaravarakely
Toa manainga anao hifoa
Hianoka ny misiny!

Ireo kintana aman'alina
'Zay mandravaka ny alina
Miantso anao poeta...
Mba handrakitra ny lasa!

Ny taratra hazavana
Eo am-paravodilanitra
Tsy mamela anao hitony
Fa miantso anao poeta...

Ny ravina efa nihitsana
Atopatopan-drivotra eny
Antsefan'abakabaka miantso anao
Fa satry enao poeta!

Poeta fandalinana...
Poeta ny fahamarinana...
--------
Rohy:
Sokajy : aingam-panahy - poeta
632 1
Hevitra mandeha
mikaloofficiel ( 27/04/2020 12:09)
poeta...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mikalo nantenaina
Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 27/04/2020 11:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095