You are here: home > Vetso

NY VOLA - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Ny vola!
'Lay ravin-taratasy
Toa mahafatifaty
Manintona ny saina
Hanadino fihavanana

Taratasy kely
Misy zorony efatra
Kely lanja anefa
Mahazaka ireo mavesatra
Toa maivana avokoa
'Zay zavatra atao
Rehefa eo ny vola

Ny vola!
Ilay sakaiza tsy foy
Raha mbola eto an-tany
Ary noho izany
Ilaina ianao ra-vola
Fa izao no marina
Ny fikatsahako anao
Tsy animbako 'zay namboarina

Mk-n.
Ny :100420