RAOZY MISY TSILO (Mikalo nantenaina )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raozy fanaperana...
Mambabo ireo mpandalo.
Feno an-tsaran-tarehy.
Manaingo zaridaina.
Mahavelombelom-bolo,
Raha tonga ny maraina.
Fa hay raozy misy tsilo,
Ilay mba novoleko.
Nipaka hatrany anaty
Ny lentiky ny tsilo
Teo vao nahatsiaro,
Sy nanafatra mpandalo,
Fa hay ny raozy misy tsilo!

Raozy fanaperana!
Ndrao tsy fantatrao
Ka averiko eto indray;
Fa ny raozy misy tsilo

Mikalo Nantenaina
Ny: 14 aprily 2020
--------
Rohy:
564 1
Mpakafy: mikaloofficiel
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mikalo nantenaina
Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 24/04/2020 06:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155