You are here: home > Vetso

(TSY MBOLA...) - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Tsy mbola tonga lafatra aho,
Fa...
Mikiry fatratra,
Ny mba ho olombanona.
Tsy mbola tonga lafatra aho,
Fa...
Tia mandefitra aminy fiainana.
Tsy mbola tonga lafatra aho,
Fa...
Raha misy ny tsy satry,
Mety ho kivy koa indray 'ndray.
Tsy mbola tonga lafatra aho,
Ka tsy afaka ny hiambo,
Ho mahavita izao sy 'zao.

Eny e!

Tsy mbola tonga lafatra aho,
Fa...
Mikiry fa tratra,
Ny mba ho olombanona.

*mikalo nantenaina