You are here: home > Vetso

TSY MBOLA FANTATRA... - Mikalo nantenaina

Azo vakiana?

Efa an-taonany maro izay,
No niandrasana ny rariny,
Nefa hatram'izao...
Tsy mbola fantatra ny marina.

Nodorana ny rova,
Sy 'zay rehetra mba aminy...
Nefa hatram'izao...
Tsy mbola fantatra ny marina.

Ny taona faly mifandimby
Mikosoka ny lasa
Kanefa hatram'izao...
Tsy mbola sitrana ny ratra.

Lasa ihany ny eritreritro,
Hoe: Iza no nandoro ?
Iza koa no naka ?
Nefa hatram'izao...
Tsy mbola fantatra ny marina.


( MIKALO NANTENAINA
voasoratra ny: 26/05/20
tao: Ambohimandroso GARA )

Hametraka hevitra

Midira aloha