NILAOZANY (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NILAOZANY

Nilaozan’ ilay fitia izay efa tafapetraka
Namelany taiketra ka tresaka
Nefa raha zohina dia fo mafy aok’ izany
Fa dia toa simbany sy potiny ihany

Tsy mba nisy fiantrana fa dia lasa tokoa
Na dia nierika aza tsy nataony fa niamboho
Sady napetrany ireo entam-pitia nohariana
Nampiarahin’ny teny hoe : mipetraha rehefa tsy tiana

Nilaozany ny akaniny izay nitoerany
Manirery ny foa nohon’ ny zavatra navelany
Nanjepizempy ny endri-javatra iray monja
Toa tsy hay ongotana fa avesarana mafonja

Nilaozany , tao anaty fitia nipitrapitra ny foko
Tsy mba nangorahany na dia nisy ranomaso nijo
Ka nanjary niari-pahoriana tao anaty fisaonana lalina
Manao ankajo mainty miandry … isa-mamaton’alina

Indraindray misy endrika toa misalovana ao an-tsaina
Manangatra ao am-po mampitaraina
Mampitsangam-bolo, mampagovitra
Ilay fandaozana mampihovitrovitra

Navelany ho kamboty ity fo mila mpanampy
Kamboty velo-tiana toa tsy hisy hiantsampy
Ka mety hiady irery amin ‘ilay fahavalo
Izay antsoina hoe : rivo-piainana handalo.

mlanto R.M
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
890 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152