RIVOTRA (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RIVOTRA

Injay mandrevorevo ny tso-drivotra malefaka
Mampanidin’ adi-tsaina izay toa efa tafapetraka
Sady mampiaina ny ao anaty ho velombelo aok’ izany
No mampanembona any an-kafa, any ambadibadik’ any

Rivo tsentso, rivo-piainana, saha inona loatra ?
Fa rehefa mandalo na miserana mamela atsika mampitroatra
Indraindray dia toa mitady rakotra ny tena mba hafana
Mba hiaisotra ny angovitana tsy ho tamana

Mitabolobolo tsy fatam-piaviana
Mampitolefika ny mijoro izay lavitrin’ ny hakiviana
Fa dia rivotra any izany rivotra eto an-tany
Matetika mamelombelona, matetika mamirifiry mampitomany.

… rivotra …

mlanto R.M
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
916 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014