You are here: home > Vetso

ANDRIAMANITRA TSY MANDAO - Cat

Azo vakiana?

Nandao anao ve ny namanao,
Ny sakaizanao, ny havanao?
Minò an ' Andriamanitra ianao
Fa Izy tsy mba mandao

Na teo ny ditranao,
Ny fahotanao, ny adalanao
Tiavo ny Tompo Andriamanitrao
Fa Izy tsy mba mandao anao

Matokisa ny Tompo raha mbola velon aina
Satria Izy no tompon ny aina
Fa any andro handao anao izao rehetra izao
Fa Izy tsy mba mandao anao