You are here: home > Vetso

Manantena aho - Cat

Azo vakiana?

Raha tojo akiviana sy alahelo sesilany
Mitrakà fa tsisy nateraka ho resy zany
Fiainana mandalo izao
Satria indray andro any dia ifarana izao tontolo izao

Raha misy sedra mandalo
Aza kivy fa ny Tompo tsy mba mandao
Nomeny anao ireo asambarana valo
Mba ho tena sambatra ary Izy eo anilanao

Raha mbola misy ny farany tsy ho foana ny fanantenako
Indray andro any hiposaka ny masoandrom piainako
Mbola manantena ny foko sy ny saiko
Hatramin ny fara fofon aiko

Sokajy : fanantenana