IANAO (MPANAZARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay nantenaina hiankinana raha soara
Kanefa dia indrisy fa ianao kay namarara
Ianao ilay noheveriko hanasitrana ny fery
Hay ka dokotera adala,ny saina aza efa very
Ianao ilay hoe olon-kendry sy manan-tsaina
Kanefa dia nisitrika tsy hita ho antenaina
Tsy ianao ve ilay mpaminany gasy?
Tsisy nino fa mpamitaka,ka nangasihasy
Tsy ianao ve ilay mpamosavy malemy?
Mandripaka ny an-trano tsy ankiteniteny
Tsy ianao ve ilay hoe mpanao mazia?
Ka ny olona natavy ity no lasa mahia
Tsy ianao ve ilay mpanao kabary an-tavy?
Nampiteny ny maona nampanopa anabavy
Ianao tokoa angamba ilay mpandevin-…antsalaka
Nieboebo fatratra fa hoe tompon-daka
Ianao e! tena ianao ilay izy
Nahatofoka lehibe nanadala ny ankizy
Tsy afakao ho lavina na hoe hialana bala
Fa hita ianao ka fantatra,tsy nampisalasala

Zao koa vao tadidiko fa ianao ilay Mpisikidy
Afaka mandrahona,manapaka, mandidy
Tsy menatra mangalatra,ary koa manolana
Kanefa tratra ihany voadaoka ka torana

Zao koa vao tsaroko ary tsy afaka ato an-tsaiko
Ianao ilay saika hamono hanampitra ny aiko
Noheverinao angamba fa vitanao izay kinasa
Kanefa tsy nampoizina fa nivadika ny rasa
Ianao indray no nitolefika sy nitelina mangidy
Fa sendra ny nahay ianao ka noverezin’ny sikidy

Ianao e! tsy haiko na faly ianao na tezitra
Tsy ianao mamaky sanatria sao ka mihevitra
Fa mba vetsovetsompoko nandalo ka nosoratana
Ho tononkalo ho famaky amorompatana
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
1709 1
Mpakafy: SIOKATOKANA
Hevitra mandeha
Zozoro ( 10/08/2011 11:58)
Oadray ! Lalina izany ! Sao dia tafahoatra loatra ity fampitahanao azy e! Mba dinio tsara aloha e!

"Tsy hoe izay ! tsy tsontsa no tena olo-marina
Fa ireo lavo ka miarina"
SIOKATOKANA ( 10/08/2011 13:39)
Tsy manana ertrertra hanao azy tafahotra aho ka! nandinika mhts ah vao nanoratra
volana1 ( 15/09/2011 12:39)
Fa mahaiza ihany mamela heloka. Inoako fa entinao hamoahana ny tsy zaka rehetra ilay tononkalo amin'izay afaka ny fonao ka hamela azy e ?
tsila ( 16/09/2011 14:13)
He Ianao de ianao tokoa,
Lay nihevi-tena ho mahery,
Linevina tanaty lavaka longoa

Eny Ianao indrindra indrindra
Lay mpangarika, mpiavona fijery
Raha nisy mba solafaka namindra

Saingy ny lasa fanadino, na de tsy mety aza
Ho sasatra eo Mpanazary, sady tataka ny vava
Aleo re mifamela fa ny andro mbola ho lava

SIOKATOKANA ( 26/09/2011 06:45)
Tsy noheveriko anohina ny fonao mpamaky
Ilay vetso nosoratako
Nefa ny hiangaviako
Mba vakio hatramin'ny farany izay vao mivaky
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MPANAZARY
Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 10/08/2011 08:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112