IANAO NANDALO - MPANAZARY
Azo vakiana?
Dia indro ianao nandalo
Tsy nivily akory
Kanefa aho nanantena
Handray ny tananao
Nimaona ianao nimalo
Tsy fantatrao aho hoe ory
Sady mahonena
Tsy mba tao an-tsainao
Ho aiza anefa izato dia
Toa mihaotra famindra
Toa kaodikaody jery
Toa olon-dratsy sanatria
Sa kosa hilefa, hifindra a?
Kanefa ve dia ianao irery!
Angamba ianao andao handeha lavitr'any
Ka matahotra sao ho tsinjoko ny fandehananao
Tsy nampoizinao anefa fa tazanao aho tomany
Dia indro ianao sanganehana tsy nahita zay atao
Nanganohano tampoka teo ny fahitako anao
Ka nangovitra sady nanantona ahy
Vao teo anilako ianao dia namihina sy nifona
Hoe:tsy nieritreritra aho ka mivalo aminao
Fa saika rava teo ilay fitia soa fa tsy kilalao
Hevitra mandeha
Zozoro (03/09/2011 08:55:58)
Mombamomba
Mpanoratra : MPANAZARY

Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 23/08/2011
Mpamangy : 978
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIARAHOVIANA NO HIPOSAKA?
RY TANIKO
RY FAHANTRAKO
LAKAN-JAHATRA
NOFY LALINA
IANAO
TSIAHY
NY JALIKO
NY HADALANAO IHANY