RY FAHANTRAKO (MPANAZARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fahantrako fa nahoana laotra là
No fikirinao mafy,tsy afa-mihetsika ity zà
Fatoranao, tsy havelanao hikofoka
Gejainao marary,ka vizana sy tofoka

Tsy izaho irery ihany anefa
No fehezinao tsy hilefa
Fa maro ka tsy tambo isaina
Ireo mijaly sy mitaraina

Manjaka ianao satria mahery
Very hevitra ireo manirery
Hoe ho hatraiza moa ity fijaliana
Ka mba iaina anaty fifaliana?
Hoe ho faona ve ity fahantrana
Ka mba ahita ny hazavana?

Raha mba zaoko baikona
Ity fahantrana ity
Ka ratraiko sy vonoina
Na hoe miala ery
Dia ho faona tsy hisy jaly
Ka ho sitrana ireo marary

Indrisy anefa,indrisy mantsy
Fa mamely toy ny fantsy
Ity hetraketrakao ry fahantrana
Ka mamono ianao mazàna

Ry fahantrako,aiza ihany?
No mba anjara masoandroko
Fa toa takonanao tomany
Ka manafohy ny anjara androko
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1398 1
Mpakafy: SIOKATOKANA
Hevitra mandeha
Zozoro ( 12/08/2011 09:21)
Mbola ho avy ny maraina e! aza kivy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MPANAZARY
Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 12/08/2011 06:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141