RAHOVIANA NO HIPOSAKA? - MPANAZARY
Azo vakiana?
Manjombon-dava ny andronao ry Gasy
Saroman-drahona ka mangasihasy
Jereo ity ianao fa maloka,mangina
Indrisy!indrisy! vesaram-pahoriana?
Tomany anao ny foko ry taniko
Ka iza no hijoro ho fahavaloko?
Tsy iza fa ianao zay mampahory
Ry fahantrana tsy mampahita tory
Rahoviana no hiposahanao ry masoandroko?
Ka ahitako ny hazavana ho an'ity taniko?
Anio ve sa ampitso? sa kosa mbola ho ela?
Na rahoviana na rahoviana dia izaho manantena
Indray andro any ,izaho tsy hitomany
Indray andro any ,mbola ho tonga'lay mamy
Izay andrandrainao ry tanindrazana tsy foiko
Ka ianao tsy handohalika , Izaho tsy hitoloko
Rahoviana no hiposaka?
Mbola ho avy ilay maraina
Hevitra mandeha
Zozoro (06/03/2012 12:13:55)
Fa agaha dia izao ihany no andro ! ...
Tsia fa misy dimbiny ao.
Mombamomba
Mpanoratra : MPANAZARY

Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 28/02/2012
Mpamangy : 963
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIARY TANIKO
IANAO NANDALO
RY FAHANTRAKO
LAKAN-JAHATRA
NOFY LALINA
IANAO
TSIAHY
NY JALIKO
NY HADALANAO IHANY