TAMBERIM-PITIA - MPANAZARY
Azo vakiana?
Ny maraina vao nifoha,
Dia ianao no tao an-doha
Nahatsiaro ny taloha
Ireo fiarahan-tsika roa
Toa lafatra tokoa
Tsy nisy sakantsakana
Na vato iray nanakana
Na onjan-dranon-dakana
Na tohitohy vakana
Na bilokin'ny kankana
Fa nilamina aok'zany
Lavitra tomany
Nifankatia hatrany
Maro mankamamy
Na vizana aza eo ihany
Aiza intsony ireny?
Ity zaho miteny irery
Vetsovetso ombieny
Lasa tamberim-pitia
Tato an-tsaiko aky
Ilay voady hoe doria
Alarobia 08/01/14 ,12ora sy 34minitra
Mombamomba
Mpanoratra : MPANAZARY

Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 08/01/2014
Mpamangy : 1199
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RAHOVIANA NO HIPOSAKA?RY TANIKO
IANAO NANDALO
RY FAHANTRAKO
LAKAN-JAHATRA
NOFY LALINA
IANAO
TSIAHY
NY JALIKO
NY HADALANAO IHANY