LAKAN-JAHATRA (MPANAZARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia gaga ianao satria lajan-jahatra hono
Tofoka aza moa fa hoe: ho entina manjono
Kanefa tsy mahatanty ny onjan-drano akory
Fa maivana ka hilentika hanjary hampahory

Fafazan'ny alon-drano mantsy ilay lakan-jahatra
Ka tsy ho tody akory amin'ny lalana voalahatra
Fa hizarazara maro eny anivon-drano lalina
Raha niainga vao maraina,mbola eny sasak'alina

Ka onjionjinao irery no nifanehatra ny mafy
tsisy olon-kantenaina ka niaritra ny gafy
Gafin'ity onjan-drano miraondrahona mahatahotra
Nanapotika ity lakan-jahatra,efa reraka sy vahotra

Lakan-jahatra a!potika sy ravarava,rotridrotikin'ny onja
Natsingevangevan-drano ny hany sisa potipotiny
Ka ny maraina no hita teny ambony toram-pasika

Lakan-jahatra a!hazo iray nandrohy azy sy zahatra iray monja
No mba hita teny ho eny,tsy ho antenaina hisy fotony
Ireo no hany sisa,nangonina ka atambatra ho hafantsika

Indrisy anefa fa tsy mety atambatra
Ka rava teo ilay lakan-jahatra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1198 1
Hevitra mandeha
Zozoro ( 11/08/2011 12:28)
Tiko be le vetso. misaotra an!

Manorata hatrany fa tena kanto
SIOKATOKANA ( 11/08/2011 13:38)
Misaotra t@ fan,kasitrahany e!
Zozoro ( 11/08/2011 13:41)
Hay ve ianao no nanoratra azy fa tsy izaho e! hi hi hi

Misaotra Sioka a! tena kanto, manorata foana an ..
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MPANAZARY
Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 11/08/2011 09:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099