RY TANIKO - MPANAZARY
Azo vakiana?
Mahantra ianao ry fireneko
Mampahonena aok'izany
Ianao anefa no reharehako
Sy hany tokako eto an-tany
Nahalatsahan'ny tavoniko
Niandohan'ny razambeako
Ianao no hany ho tononiko
Any an-kafa izay alehako
Fa iza laotra là no sahy nambotry anao
Ry tany gasy tsara rafitra higagahan'ny tontolo
Maro ireo harenanao sy voary tsara loko
No simba sady torotoro,ringana tsy hita intsony
Hangata-bavaka aho mba hiarenanao
Ka ho ringana ireo mpanao bontolo
Ary mba hiarovan'ireo foko
Ny tany hitoerany sy hijoronany Zoma,11/11/11
Mamiko ianao ry tany gasikeloko
Sokajy :
Aingam-panahy, Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : MPANAZARY

Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 11/11/2011
Mpamangy : 1025
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIARAHOVIANA NO HIPOSAKA?
IANAO NANDALO
RY FAHANTRAKO
LAKAN-JAHATRA
NOFY LALINA
IANAO
TSIAHY
NY JALIKO
NY HADALANAO IHANY